« SOMAMBISAMBY »: hatolotry ny Mahaleo ho an-dRaoul sy i Nonoh ny Taratra ny 06 aprily 2019

825

« Somambisamby »: hatolotry ny Mahaleo ho an-dRaoul sy i Nonoh
Mitohy ny lalana ho an’ny Mahaleo! Vaovao lehibe, nambaran’izy ireo ho an’ny mpankafy, izany. Miroso tsimoramora mankany amin’ny 2022, hankalazana ny faha-50 taona an-tsehatra ihany koa…
“Somambisamby”, lohatenin’ny fampisehoana goavana voalohany, hotontosain’izy ireo ny alahady 5 mey izao, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, io.

“Hatolotray ho fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra ireo zokiny roa lahy, Raoul sy I Nonoh, izay efa nodimandry, io seho io, hoy ny nambaran’I Dadah.
Newsmada: Gazety Taratra ny 06 aprily 2019