Iray Ihany Isika

Notanterahina teto an-tampon-tanànan’i Toliara ny lanonam-panokafana ny fandaharanasan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nampotondraina ny anarana hoe « IRAY IHANY ISIKA ». Nisy ny lahateny nifandimbiasana, ny hetsika ara-zavakanto ary ny loabary an-dasy nataon’ireo manam-pahaizana ara-tantara sy ara-dini-piarahamonina. Nandritra ny lahateny nataon-dRamatoa Minisitra Lalatiana ANDRIATONGARIVO no nanamafisany fa « Misy ny fahasamihafana ary tokony ekena fa ny fahasamihafana dia tsy tokony natao hampisara-bazana fa atao fanoitra ho an’ny fampandrosoana »