IRAY IHANY ISIKA-TOLIARA, 5 OKTOBRA 2019

KABARIN-DRAMATOA MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO

Andriamatoa isany solombavambahoakan’ny Madagasikara
Andriamatoa Préfetn’ny faritra,
Andriamatoa ben’ny tanànan’ny Toliara tampon-tanàna,
Ianareo olo-manan-kaja sivily sy miaramila,
Miarahaba anareo olo-be aby amin’ny tanà atoy,
Akory tsika iaby,
Salama rolahy,

Raha nandray ny andraikitra maha-minisitra misahana ny kolontsaina ny tenako dia nanao ny fanamby ny hikolokolo ny maha-izy ara-kolontsaina, rehefa miresaka kolontsaina dia ny zava-kanto no ao an-tsaina voalohany. Kanefa tsy izay ihany fa ao ihany koa ilay kolontsaina azo adika amin’ny hoe fomba fihevitra raiki-tapisaka anaty loha dia ny resaka toe-tsaina, ny resaka fomba fisainana. Ary tena nanao fanamby ny tenako ny hampivoatra io singan’ny kolontsaina iray io. Tafiditra ao anatin’izany ny hetsika Tagnamaro, tafiditra ao anatin’izany ny fanabeazana olom-pirenena izay ataon’ny Minisitera. Ary tafiditra ao anatin’izay indrindra ity fandaharanasa atao hoe « Iray ihany isika » ity.

Rehefa hanontaniana isika manao hoe inona no olana tena tsy mampandroso an’ity Madagasikarantsika ity dia matetika miverina io resaka toe-tsaina na fomba fisainana io. Miverimberina ny hoe simba ny toe-tsaina, lomorina ny toe-tsaina. Fa inona amin’ny toe-tsaina no tena simba ? Maro ny zavatra tokony arenina tahaka ny tsy firaharahiana ny fananana iombonana, tsy fifanajana eo amin’ny samy mpiara-monina, sns… Ary ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia manao ho vaindohan-draharaha ny hamerina ny toe-tsaina mampandroso.

NY FAHASAMIHAFANA :

Ny fahasamihafana no ventin-dresaka ato anatin’ity fandaharanasa ity.

Fony vao niforona ireo kaontinanta ankehitriny taorinan’ny fiparitahan’ny Gondwana, ilay kaontinanta goavana nanambatra ny rehetra dia tao afovoany i Madagasikara, nisaraka avy aty amin’ny Afrika, Arabia, Inde, ary Nouvelle-Guinée. Teo dia efa hita fa Nosy naka kely avy amin’ny kaontinanta maromaro i Madagasikara raha ara-jeografia sy ara-java-boary.

Rehefa tena niforona i Madagasikara, taona maro be taty aoriana dia tonga nonina teto ny avy any Azia, tonga ny avy any Afrika, tonga avy any Arabia, tonga ihany koa ny avy any Eoropa. Ireo rehetra ireo no nitambatra ka namorona ny Malagasy.

Araka izany dieny tany am-piandohana, raha ny fiaviana no jerena dia efa samihafa isika. Mampalaina na mahasadaikatra antsika malagasy ny miresaka io fahasamihafana io kanefa ao anatin’izao lalam-baovao diavin’ny firenena nanomboka tamin’ny fiandohan’ity taona 2019 ity izao, miroso amin’ny tena fampandrosoana isika ary raha te handroso isika dia resy lahatra aho fa tonga ny fotoana hiresahana izany, tonga ny fotoana hanovana ny toe-tsaina.

Am-panetren-tena lehibe eto Toliara no hijoroako eto hanazavako ny lalan-tsain’ity tetikasa ity.

Ny zavatra izay ho resahantsika ao anatin’ity fandaharanasa « Iray ihany isika » ity dia ireo zavatra tsy dia sahintsika resahana loatra, toa zavatra manelingelina ny lohantsika, toa zavatra mandindona ny sain’ny rehetra ary misy akony eo amin’ny fiainam-piaraha-monina kanefa tsy misy sahy milaza. Lasa sakana ho antsika ilay izy satria mandindona ao an-dohantsika ao ary hampiharintsika indraindray amin’ny fomba ratsy eo amin’ny fiaraha-miaina dia ny fahitana fa hampiasaina io fahasamihafana io ho an’ny fisaraham-bazana sy ny fanilikiliana.

Maro ny endrika hisehoan’ny tsy fanajana ny fahasamihafana eto Madagasikara. Amin’ny endrika mahery vaika dia mitarika ady sy fifamonoana mivantana izy ity. Efa nitranga teto amin’ny tantaran’ny firenena ny hoe vondrona tsy mitovy fihaviana dia mifanafika sy mifamono. Fa ny endrika tena matetika dia ilay fahasamihafana mitarika fifanambaniana, mitarika elanelana, mitarika antsika tsy dia hifanerasera, mitarika antsika hangatsiatsiaka sy hialangalana, mitarika antsika tsy hiara-hiasa, mitarika antsika hifanao vava masiaka any amin’ny toerana fonenantsika any ary mampita izany fomba fieritreritra izany amin’ny taranaka fara-mandimby.

Maro ny karazana fahasamihafana mandindona ao an-dohantsika ao ka mitarika fifandonana na fifandrafesana na fanilikiliana :
– Ao ny fahasamihafana ara-batana na ara-boajanahary tahaka ny resaka fotsy sy mainty, ny resaka tso-bolo sy ngita volo, ny bobo, ny « nain », ny olona manan-kilema isan-karazany.
– Ao ny fahasamihafana ara-pinoana : ny finoana ara-drazana, ny kristianina, ny silamo, ny hindoue, sns…
– Ao ny fahasamihafana ara-pomba fisainana : ara-politika, ara-kolontsaina,
– Ao ny fahasamihafana ara-piaviana na ara-toeram-pipetrahana : fantatsika izany fifandonana na tsy fifankahazoana eo amin’ny hoe avy ao afovoantany sy avy aty amin’ny morontsiraka, fifandonana matetika amin’ny hoe diaspora na malagasy mipetraka any am-pita sy isika mipetraka eto, fifandonana amin’ireo mpiavy taty aoriandriana kanefa efa nonina taranaka roa na telo teto tahaka ny karana, ny tsy fifankahazoana amin’ny hoe monina an-drenivohitra sy monina ambanivohitra.
– Ao ny fahasamihafana ara-pari-piainana sy fidiram-bola na saranga sosialy.

Firifiry ny tantara rentsika na niainantsika manao hoe niantsoan-dray aman-dreny tody ny zanany naterany na hoe nalàny tsy ho zanany intsony satria nitia na nanambady olona tsy mitovy fiaviana, tsy mitovy foko, na tsy mitovy volon-koditra. Firifiry no tantara rentsika manao hoe natao ankilabao ny olona iray satria misy fahasamihafana ara-batana na misy kilema. Firifiry ny tantara rentsika manao hoe tsy noraisina hiasa ilay olona na dia manana ny traikefa sy ny fahaiza-manao aza satria tsy mitovy fiaviana na tsy mitovy saranga. Miverimberina ny hoe « ny avy any aminay » mba haniliana ny hafa amina resaka asa, amina resaka fifanampiana, na hifampiarovana amin’ny tsy mety atao, na hiadivana tombontsoa manokana lasa heverina mihitsy fa zo satria hoe avy atsy na avy aroa ny tena. Maro ny ohatra azo raisina tsy voatanisa eto daholo.

Mazava anefa fa io no nanapotika antsika, io no mampihemotra antsika.

Araka izany, noho ny fahatongavan-tsaina fa tonga ny fotoana hiroboana anatin’ny famahana izany olana izany no nanapahanay hevitra hanatanteraka ity fandaharanasa ity.
Aoka izay ny fihatsaram-belatsihy, aoka izay ity ady mangatsiaka ity, aoka izay ity sain-dratsy mandindona ao anatin’ny loha ity, ndao hanaiky ny fahasamihafana misy eo amintsika, ndao hanaiky fa maro ny tsy mampitovy antsika. Fa ndao ihany koa hanaiky fa mila atambatra ireny fahasamihafana ho lasa herim-pampandrosoana.
Ny fahasamihafana dia zavatra misy tsy azo lavina, ny fahasamihafana dia zavatra tsy azo fafana, ny fahasamihafana dia zavatra tsy azo takonana, fa zava-misy ary manan-karena fahasamihafana ity Nosintsika ity, manan-karena fahasamihafana ny malagasy.
Tonga ny fotoana hihoarantsika amin’izay fahasamihafana manimba sy mampisara-bazana indray. Tonga ny fotoana hanovantsika ny toe-tsaina mahakasika ireo mpiray tanindrazana amintsika. Tonga ny fotoana hanorenantsika miaraka Madagasikara vaovao. Tonga ny fotoana hamadihantsika ny fahasamihafana marobe misy ato amin’ity Nosintsika ity ho tena hery hampandrosoana sy hampivoarana ny firenena.
Ndao hiova fomba fijery, ndao hiova fomba fisainana. Ndao hanorina fiaraha-monina vaovao hanjakan’ny fiaraha-miaina sy ny fiaraha-miasa manaiky ny fahasamihafana. Ndao hitarina ilay fomba fiteny hoe « olona avy any aminay », hitarina amin’ny Madagasikara manontolo : ka ny « olona avy any aminay » manomboka eto dia ireo Malagasy rehetra monina eto Madagasikara.

Tsy te hampiasa ny teny hoe firaisan-kina aho ary tsy te hampiasa ny teny hoe fihavanana satria heveriko fa tsy tena mahalaza ny zavatra tiana hahatongavana ireo teny roa ireo na mahalaza ihany fa efa nampiasantsika hatreto ho fanakonana ny tsy mety na fanamafisana ny fihatsaram-belatsihy.

Nahoana no natao fandaharanasa izy ity ary ahoana no endrika hisehoany ?

Natao fandaharanasa izy ity satria mila mandray andraikitra ny fanjakana amin’izay rehetra hahafahany mampivoatra ny firenena, tsy raharahan’olom-bitsy ny fanovana ny toe-tsaina, tsy raharahan’ny mpanabe fotsiny, tsy raharahana fikambanana fotsiny fa raharaha iombonana ary raharaha goavana sy mankadiry ka rariny sy hitsiny raha miroboka ao ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ny ohatra mivaingana amintsika dia ny Tagnamaro izay tany am-piandohana dia nampimenomenona antsika kanefa taty aoriana dia noraisintsika ho antsika ary tafapaka lalina ao anaty fomba fisainana. Ka tahaka izay no hanentanana sahady antsika tomponandraikim-panjakana, isika mpitarika fikambanana, isika rehetra mpanabe sy afaka mampita hevitra amin’ny zanaky ny malagasy mba hivoy ity fomba fisainana vaovao ity. Ny samy malagasy ihany no afaka hamboly kolontsaina hitarika fiarahamonina tsy misy rahoraho sy finiavana hiaraka tsy misy fiatsarambelatsihy. Tsy ho mora anefa izany raha tsy mandray andraikitra isika; raha tsy sahy manomboka akory isika. Tahaka ny zava-drehetra kinasa dia ny fanombohana no mafy indrindra. Fa raha vao mihainga izy io dia hizotra, ary azo harenina eny an-dalana eny izay tsy tomombana.

Hanana endrika maro ity fandaharanasa ity ary hampiasa ny fomba fiseraserana rehetra : ao ny endrika fanentanana amin’ny haino vaky jery, fanentanana amin’ny toeram-pivondronana, fanentanana sy fanatonana ifotony.
Ankoatra izay, fantatsika tsara fa ny tsy fahafantarana ny hafa no anisan’ny mitarika fihetsika hafahafa eo amin’ny samy olombelona. Araka izany hanana endrika fampahafantarana ny hafa ihany koa izy ity : hampitomboana ny fomba rehetra hahafahana mahafantatra ny kolontsain’ny mpiray tanindrazana amintsika, ny fomba amam-panao isan-karazany, ny fanamorana ny fahafahana miaina ny traikefa any amin’ny toeran-kafa, izany hoe ny fanamorana ny fifezivezena ihany koa.
Ao ihany koa ny mety fanolorana izany endri-pahasamihafana isan-karazany izany anaty fandaharam-panabeazana ho an’ny zanaka malagasy.

Ny zavatra iraisantsika rehetra dia ity Nosy ity dia i Madagasikara. Hoezahina hahakasika ny mponina rehetra eto Madagasikara ity fandaharanasa ity fa hoezahina ihany koa hahakasika ny malagasy rehetra na monina eto Madagasikara na ny tsy monina eto Madagasikara. Satria adidintsika ity firenena ity. Adidintsika ny miara-miaina ao anatin’ny tanjona tokana : ny mety ho an’ny firenena, ny mety ho an’i Madagasikara izay tiantsika.
Ny fampandrosoana izay tiantsika atao dia tsy maintsy mifanindran-dalana amin’ny fifanajana sy ny fifandeferana izay tsorina fa tsy ampy eo amin’ny samy malagasy. Ndao atao ezaka manokana ny fandeferana sy ny fahafantarana ny hafa, ndao atao ezaka manokana ilay tena fifanajana tsy atao am-bava fotsiny.

Izaho TIM, ianao Mapar, ndao hifanaja, ndao hifandefitra,
Izaho ambaniandro, ianao tanindrana, ndao hifanaja, ndao hifandefitra,
Izaho kristianina, ianao silamo, ndao hifanaja, ndao hifandefitra,
Izaho manana kilema, ianao tsy manana, ndao hifanaja, ndao hifandefitra,
Izaho mainty, ianao fotsy, ndao hifanaja, ndao hifandefitra,
Izaho mahantra, ianao manana, ndao hifanaja, ndao hifandefitra,
Izaho malagasy monina any ivelany, ianao malagasy monina ao Madagasikara, ndao hifanaja, ndao hifandefitra,
Izaho avy any an-drenivohitra, ianao avy any ambanivohitra, ndao hifanaja, ndao hifandefitra,
Izaho havanao, ianao havako, natambatr’i Madagasikara ity ho mpihavana isika.
IRAY IHANY ISIKA

Misaotsy anareo fanagnan-dray
Misaotsy anareo fanagnan-dreny