FOKO ANTEMORO

148

Ny Antemoro (na Antaimoro) avy amin’ny teny hoe « morona » dia foko iray ao amin’ny faritra Vatovavy-Fitovinany izay manana ny firazanana arabo.
Avy amin’ny anaran’io foko io no niavian’ny taratasy antemoro izay natao ho fanaingoana.
Ny Antemoro no nitondra ny sorabe voalohany tao Madagasikara. I Ramakararo no mpanjaka voalohany tao izay nipetraka tao Ivato, ka antsoina hoe Fenovola ny Lapany. Nampalaza ny foko Antemoro teo amin’ny tantara ny fanoratana ny Sorabe, ny famakiana ny kintana (Fanandroana), fandravonana ny disadisa nisy tamin’ireo foko sasany tany atsimon’i Madagasikara. Anisan’ny Antemoro nalaza ireo nafaran’Andrianampoinimerina ho lasa mpanolo-tsainany sy nampianatra an-dRadama I.