FIFAMPIARAHABANA BETSILEO

69

Anisan’ny mampiavaka ny foko Betsileo (Malagasy) ny fomba fifampiarahabana rehefa mifankahita. 2 hatramin’ny 5 minitra eo no fotoana ifampiarahabana ho an’i Betsileo indrindra ny ambanivohitra, mahafinaritra tokoa:
Mpanontany: Akory aby e!
Mpamaly: Akory aby koa moa!
Mpanontany: sosoa (tsaratsara) aby ve antsika agny?
Mpamaly: sosoa tsa magnahy aby koa moa, ny agny manao akory aby?
Mpanontany: eka moa, tsa misy magnahy agnay egny fa ny kohakohaka moa igny raha tsa ho afake
Mpamaly: soa moa izay, ndrondroandro (elaela) eroa izay, eko ina ro maresaka agny?
Mpanontany: Ke eo ihany fa andrendregna (varimbarina) ny hitsaka sy ny ketsa e
Mpamaly: ke ve roa, ka izao mignaia?
Mpanontany: zao tarognina e (izao resahina izao), hijaha (hijery) ny rano amin’ny tanimbary ato zao ndraika fa anò vitàsoa ny andro aby
Mpamaly: misaotsa moa! Samy zay aby ka dia vitàsoa ny andro, mampamangy am’ndreo egny.
Red Randria
Nalaina tao amin’ny Malagasy ve ianao
.