“Vues d’Afrique”: notsongaina manokana ny “L’opéra Hiragasy”

182

Anisan’ireo horonantsary notsongaina manokana handray anjara any amin’ny “Festival Vues d’Afrique” any Canada ny horonantsary fanadihadiana izay mitondra ny lohateny hoe “L’opéra Hiragasy de Madagascar”, notontosain-dRaholiarisoa Emeline. Tsara sy mahavelom-bolo izany satria, sambany ity ny sarimihetsika fanadihadiana voalohany mikasika ny hiragasy notontosaina Malagasy. Manaraka izany, voninahitra lehibe ho an’ny vehivavy izy ity, satria andriambavilanitra no nanatontosa azy, tsy vitan’izany fa vehivavy teraka sy miaina tanteraka ao anatin’ny tontolon’ny hiragasy. Tsara mantsy ny manamarika fa zana-dRamilison Besigara, Raholiarisoa Emeline. Inoana ihany koa fa ity ny sarimihetsika voalohany notontosainy sy handray anjara amina hetsika lehibe toy ny “Festival Vues d’Afrique”, izay hotanterahina ny 5 hatramin’ny 14 Aprily 2019 ho avy izao.
Marihina fa tsy ao anatin’ny mifaninana ity horonantsary ity, saingy notsongaina manokana mba hampahafantarina ny mpijery.