TEATRE: Hanolotra seho miavaka ny « Companie Miangaly »

1742

 

 

Fikambanana mpilalao teatra manana traikefa sy fanta-daza maneran-tany ny « Compagnie Miangaly ». Efa telopolo taona mahery no niorenan’ny tarika ary Ramanantsoa Christiane no mpitarika azy, amin’izao fotoana izao.
Handray anjara amin’ny fankalazana ny herinandro natokana ho an’ny Teny frantsay izy ireo, ary amin’ny alalan’ny fanaovana seho an-tsehatra no hanamarihany izany. Anio alarobia 20 marsa, manomboka amin’ny 4 ora hariva, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely no hanatontosana izany ka ny asa soratr’i Jacques Rabemananjara no ho ampiainina.