« TAGNAMARO : ANDRON’NY OLOM-PIRENENA » andininy faha telo

162

 

VAVAHADIMITAFO
Am-polotaonany no tsy nitafo intsony sady feno lobolobo ary feno soratsoratra sy fako ny Vavahadimitafo, anisan’ireo vavahady fidirana teto amin’ny vohitr’Antananarivo fony faha-mpanjaka.
Androany 18 May 2019 dia naverin’ny « TAGNAMARO : ANDRON’NY OLOM-PIRENENA » niarahana tamin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izany endrika fahiny izany.
Anisan’ireo vakoka 4 nokarakarain’ny Ministera tamin’ity Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea ity.