NY TANTARAN’NY TENY MALAGASY

51

Tena mahatalanjona indrindra ny fahitana ny maha iray ny fiteny malagasy eran’ny Nosy manontolo, izay tsy fahita amin’ny tany lehibe toa an’i Madagasikara.

Fantatra mazava fa fiteny avy any atsinanana ny fiteny malagasy: dia fiteny maleziana mifangaro indiana kely. Ary ireo Malagasy Maleziana izay tonga teto Madagasikara indray, dia namantana olona samy hafa fiteny teto Madagasikara dia ny Vazimba sy ny Antalaotra izay olona tena samy hafa fomba sy samy hafa fiteny. Ka noho izany rehefa nifangaro tamin’ireo mponina samy hafa ireo ny Malagasy dia tokony ho nifandray sy niova nanaraka ny an’ireo ny fitenenany.

Nefa ny tena mahagaga dia izao: rehefa nisaraka an’arivo taonany ireo Malagasy nifangaro tamin’ny Antalaotra tany amin’ny farany avaratra sy ireo Malagasy nifangaro tamin’ny Vazimba tany amin’ny farany atsimo ka tafahaona indray dia samy gaga fa mbola nifankahazo fitenenana ihany indray, fa ny filazana anaran-javatra sy ny fomba fanononana fotsiny no nisy samy hafa sy niova kely, fa ny foto-pitenenana rehetra dia iray ihany.
Ka ny voalohany indrindra dia ny ao amin’ny faritany atsinanana rehetra izay misy ny Betsimisaraka izay tsy mba nifangaro tamin’ny foko tompon-tany na vahiny hatramin’ny voalohany ka naharitra ela be. Ireo no foko azo inoana fa mbola Malagasy maleziana madio tsy vaky volo tamin’ny fitenenana sy ny fomban-drazana.

Ny faharoa dia ireo Malagasy nifangaro tamin’ny Antalaotra tao avaratra rehetra. Ary ny fahatelo dia ny Malagasy nifangaro tamin’ny Vazimba tao afovoan-tany sy tany atsimo ary tamin’ny ila-tany andrefana. Ity fahatelo ity dia mbola azo lazaina fa nizara roa lehibe koa dia ny tao afovoan-tany sy ny tany atsimo, izay toa nisy ireo Vazimba toa saiky samy hafa fomba sy tsy mitovy fitenenana loatra, ka nahatonga nampisy fiovana bebe ihany ny fitenenana sasany.

Fantatra fa taty aoriana elabe dia nisy ireo Vazaha vahiny sy Arabo izay tafiditra teto Madagasikara nitondra zava-baovao sy nampianatra fomba vaovao, nefa kosa tsy nampiova ny fiteny malagasy akory ireny fa nampitombo ny vokabolarin’ny anaran-javatra fotsiny, izay tonga teny vahiny tonga nogasina ny fanononana azy. Ohatra toy ny hoe la table tonga latabatra, chaise tonga seza. Ny teny anglisy maro koa no nogasina toy ny hoe solaitra, pensily, blakibaoritra, kopy, boky.

Nalaina tao amin’ny Tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy, nosoratan’i Dr Randria Michel, zanak’antitra 1896-1942.