NY FOMBA FITAFY ANTAKARANA

244

Ny any amin’ny faritra avaratra dia ny lambahoany ny fitafiana voalohany. Ny vehivavy dia mitafy lambahoany izay antsoana hoe kisaly. Lambahoany roa no anaovan’ny vehivavy, amin’ny ankabobehiny dia mitovy loko ny lamba izay anaovany ambony sy ambany.
Ny iray dia miala eo amin’ny kibo ka hatrany amin’ny soroka ary ny iray izay mitafy ny ambany dia miala eo amin’ny kibo ka tsy mijanona raha tsy eo amin’ny tongotra. Misaron-doha amin’ny lamba kely koa iny ankajon’ireo vehivavy antakaratra ireo dia mitovitovy amin’ny fitafian’ny vehivavy any Comore. Ny lehilahy dia manao pataloa ny ambany ary ny aty ambony dia toy ny ”tunique” ny fitafiany.